Tarika FIDAR HARD ROCK

Nampiditra Fidy Art Niaina
11/02/2020 07:13
Hiran'i Tarika FIDAR HARD ROCK 0 Jereo eto
Vangy : 453
Mpankafy : 0 Ankafizo
Ny tarika Fidar Hard Rock dia tarika mivoy ny gadona mavesatra na "ROCK". Niala tao amin'ny tarika LSFHF (tarika Vala'art ankehitriny) i Fidy Art Niaina ny taona 2017 ary nanangana io tarika io izay azy manokana. Anisany nanampy azy tamin'izany i Sitraka Ramanoelina izay Vice-leader hatramin'izao. Teo koa I Toky (Zouma) izay lasa nitarika ny Fan's Club Fidar.

12 mianadahy izy ireo no mandrafitra ny tarika, ahitana tovovavy roa, dia i Hanitra (Mpiara-mianatra tao amin'ny St Joseph Mahamasina) ary i Tiffany izay zandrin'i Fidy vavimatoa. Anisany mbola tazana na tao anaty Vala'art na ato amin'ny Fidar i Fyoh. Teo koa i Eric Randriel, Manitra, Lancelot, Joyce, Sitraka Nomex, Saw'rah ary Nantenaina Rogelio. Ny hira "Tsy mety ho tanteraka" no hira nivoaka voalohany, teo koa ny "Ny nahitako anao".

Manasa antsika rehetra ary hankafy sy hanosika ny tarika mba hahafahany mizara ny kanto bebe kokoa!

Hevitra momba an'i Tarika FIDAR HARD ROCK

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Tarika FIDAR HARD ROCK (0)

Mbola tsy nisy nampiditra hira

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1571