Hevitra momba an'i Rija Ramanantoanina

Hiverina amin'ny Rija Ramanantoanina Hampiditra hevitra
zaoooo ( 25/02/2004 14:27)
Efa 16 taona izay i Rija Ramanantoanina no tafiditra tao amin'ny sehatry ny mpanakanto malagasy.
Manao fampisehoana matetika anatin'ny cabaret izy, ka ny hiran'i Solo sy i Nono izay ankafiziny no matetika hirainy rehefa manao interprétations. Mazana koa izy mampiara-peo amin'i Luc sy Mahery ka tafavoakany daholo ny karazan-kira rehetra (kalon'ny fahiny, Mahaleo, Lolo sy ny tariny, Tsiakoraka...).
Manomana raki-kira vaovao izy, ary misy hira kasainy atao miaraka amin'i Poopy.
Mitendry piano sy gitara izy, fa i Solomiral no tena miaraka aminy rehefa manao fampisehoana lehibe izy.

Dia mirary azy ho tafita anatin'ny tontolo ny mozika, ary manantena ny hihaino hira vaovao indray.
paollah ( 20/01/2004 09:08)
Somary miavona i Rija, izany hoe azo sokajiana kely amin'ny fitenenana hoe "un peu snob", ny cercle efa mahazatra azy ihany no tena hifaneraserany, voapetraka tsara ny gadon-kirany sy ny toniny.
Manambady izy, ary somary miavona kely koa izany andefimandriny izany, manajanaka roa lahy izy.
Tena azo lazaina marina fa "bon chic, bon genre" tokoa izy.
Mampahery azy hatrany aho hitohy sy hivoatra be be kokoa ny zavakanto hataony.
Mpankafy azy tanteraka aho.
tokyago ( 20/11/2003 11:35)
Maro ireo artista efa niarahany nihira tao ry
Poopy , Fanja Andriamanantena, ary i Luc sy i Mahery no tena mpinamana be aminy.
Raha misy te hifanerasera aminy dia inty misy numero mety mbola azo iantsoana azy :
032 07 598 58
Heriniaina ( 21/10/2001 17:46)
Ny fifaninanan-kira TOP 16 sur La 2 no tena nanomboka nahafantarana azy.

Tany am-piandohana dia nampiara-peo tamin'i Mireille.

Mpinamana be amin'i Lalatiana izy.

Bon chic, bon genre.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3797