Commentaires sur Papa JAMES

Revenir à Papa JAMES Ajouter un commentaire
mahazo ( 25/04/2004 01:19)
Tonga eto izahay hitondra ny tsara sy ny kanto anatin’ny mozika izay novolavolainay tany Afrika Atsimo nandritr’izay 16 taona izay”. Io no teny voalohan’i Papa James sy Mama James vantany vao nihaona taminay taorian’ny nahatongavany ny alakamisy lasa teo. Any Durban (Afrika Atsimo) tokoa ny mpanakanto amin’izao fotoana izao no mivoatra ka tonga eto an-toerana ankehitriny noho ny antony ! roa mazava.

Voalohany dia noho ny resa-pianakaviana satria dia nahatsapa ny fahasahiranan’ireo fianakaviana eto an-toerana izay niharan’ny rivodoza. Fa ny antony faharoa izay tena goavana ihany koa dia noho ny konseritra goavana hihaonany amin’ireo mpanakanto hafa sy mpankafy azy ireo etsy amin’ny Ccesca Antanimena ny zoma 30 aprily manomboka amin’ny 6 ora sy sasany. Jobily roa sosona no hankalazaina mandritry ny fotoana ka raha 35 taona i Papa James dia 30 taona kosa ny an’i Mama James.

“Miarahaba Gasikara”

Fotoana goavana no hotanterahina amin’io takariva io ka tsy handeha irery ireo mpanakanto fa hisy ihany koa ny artista hafa maro izay hanotrona azy ireo eo amin’ny tapany voalohany anatin’ny “Music Awards”. Ankoatra ny fihirany an’i Johnny Hallyday dia hokaloin’izy mivady amin’io fotoana io ny hira tranainy miaraka amin’ny hira vaovao toy ny “Handeha isika hilalao” izay voarakitra anatin’ny! tahirin-kirany farany mitondra ny lohateny hoe “Miarahaba Gasikara”.

Amin’ny maha mpanakanto matihanina sy miroborobo azy dia tao amin’ny “studio”-ny mitondra ny anarana “Lyma studio” izay any Afrika Atsimo ihany no namolavolany ity vokatra fahenina ity. Izany dia mandra-piandry ilay “studio” izay hatsangany eto Madagasikara afaka fotoana fohy mba ho fanampiana ireo artista malagasy. Mbola horesahintsika miandalana ihany ny mikasika ny tsingerintaonan’izy mivady izay homarihina manokana.


mahazo ( 24/04/2004 12:23)
Jobilin’i Papa James sy Mama James : am-polony ireo mpanakanto hanotrona azy
22-04-2004 / 02:15
Dédesse, Jaojoby, Lalao (Feon’Ala), Lala sy Lanto Raindimby, Jean Emilien, Frères Arthurs miaraka amin-dry Balou sy Haingo, Mamy Gotso, Lili James, Hery Puissance,...Sombiny amin’ireo mpanakanto maro hanotrona ny kaonseritra izay hankalazana ny jobily faha-35 sy faha-30 taonan’i Papa James sy Mama James ny zoma 30 avrily manomboka amin’ny 6 ora sy sasany ireo izay hanafana n! y tapany voalohany amin’ny fandaharam-potoana.

Eo amin’ny tapany faharoa kosa no hizarana ny “Awards” na “diplaoma” ho an’ireo artista mendrika sy nanamarika ny mozika teto amintsika, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Fizahan-tany.

Jobily roa sosona

Mandritra ny tapany fahatelo izay haritra adiny iray sy sasany kosa no hiaka-tsehatra izy roa ka hikalo ireo hira fahiny toy ny “Ninonon’azy malemilemy” sy ny “Ngoma hoe”...mialohan’ny hidirany amin’ny kalokalo vaovao voarakitra ao anatin’ny tahirin-kira fahaenina toy ny “Inona no maha-mpinamana”, “Handeha isika hilalao” izay anjakan’ny gadona zoulou sy anglisy...Amin’ny maha-fotoana goavana azy dia fampiaraham-peo amin’ny rodobe no hamaranana ny kaonseritra izay karakarain’ry Benja Frères Arthur sy Papa James eo amin’ny fanamafisam-peo. Mampanantena fotoana lehibe eo amin’ny tontolon’ny kanto ry Lida sy James mandritra i! ty jobily roa sosona ity.


mahazo ( 23/03/2004 15:19)
I papa james dia artista malaza tokoa fony teto madagascar,irony mapadiha irony no tena taletany,efa avy napilalao tao @ boite baobaba majunga,hiltontananarivo sns.....,Mayoub Caid Jean Gaby no tena anarany antsoina hoe "Gaby" teraka tany Dieugo-Suarez izy,ary tany izy no lehibe.Ny tena nampalaza azy koa dia ny fahaizany mitendry batery tena avanana tokoa ranamana @io zvt io.I papa james koa dia manana fiainana hoatran'ny olona rehetra izany hoe manambady amanjanaka ary ny anaranjany dia anarana mpihira avokoa asa!mety andova kosa angamba ny taranany.Amin'izao fotoana i papa james dia mipetraka any afrik du sud na izany aza anfa dia mbola tsy mahafoy ny tany niaviany izy dia tonga mamangy antsiaka matetika ihany.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5764