Papa JAMES

Nampiditra mahazo
24/04/2004 21:19
Hiran'i Papa JAMES 1 Jereo eto
Vangy : 3682
Mpankafy : 0 Ankafizo
Tonga eto izahay hitondra ny tsara sy ny kanto anatin’ny mozika izay novolavolainay tany Afrika Atsimo nandritr’izay 16 taona izay”. Io no teny voalohan’i Papa James sy Mama James vantany vao nihaona taminay taorian’ny nahatongavany ny alakamisy lasa teo. Any Durban (Afrika Atsimo) tokoa ny mpanakanto amin’izao fotoana izao no mivoatra ka tonga eto an-toerana ankehitriny noho ny antony ! roa mazava.

Voalohany dia noho ny resa-pianakaviana satria dia nahatsapa ny fahasahiranan’ireo fianakaviana eto an-toerana izay niharan’ny rivodoza. Fa ny antony faharoa izay tena goavana ihany koa dia noho ny konseritra goavana hihaonany amin’ireo mpanakanto hafa sy mpankafy azy ireo etsy amin’ny Ccesca Antanimena ny zoma 30 aprily manomboka amin’ny 6 ora sy sasany. Jobily roa sosona no hankalazaina mandritry ny fotoana ka raha 35 taona i Papa James dia 30 taona kosa ny an’i Mama James.

“Miarahaba Gasikara”

Fotoana goavana no hotanterahina amin’io takariva io ka tsy handeha irery ireo mpanakanto fa hisy ihany koa ny artista hafa maro izay hanotrona azy ireo eo amin’ny tapany voalohany anatin’ny “Music Awards”. Ankoatra ny fihirany an’i Johnny Hallyday dia hokaloin’izy mivady amin’io fotoana io ny hira tranainy miaraka amin’ny hira vaovao toy ny “Handeha isika hilalao” izay voarakitra anatin’ny! tahirin-kirany farany mitondra ny lohateny hoe “Miarahaba Gasikara”.

Amin’ny maha mpanakanto matihanina sy miroborobo azy dia tao amin’ny “studio”-ny mitondra ny anarana “Lyma studio” izay any Afrika Atsimo ihany no namolavolany ity vokatra fahenina ity. Izany dia mandra-piandry ilay “studio” izay hatsangany eto Madagasikara afaka fotoana fohy mba ho fanampiana ireo artista malagasy. Mbola horesahintsika miandalana ihany ny mikasika ny tsingerintaonan’izy mivady izay homarihina manokana.


Hevitra momba an'i Papa JAMES

mahazo (23/03/2004 15:19)
I papa james dia artista malaza tokoa fony teto madagascar,irony mapadiha irony no tena taletany,efa avy napilalao tao @ boite baobaba majunga,hiltontananarivo sns.....,Mayoub Caid Jean Gaby no tena anarany antsoina hoe "Gaby" teraka tany Dieugo-Suarez izy,ary tany izy no lehibe.Ny tena nampalaza azy koa dia ny fahaizany mitendry batery tena avanana tokoa ranamana @io zvt io.I papa james koa dia manana fiainana hoatran'ny olona rehetra izany hoe manambady amanjanaka ary ny anaranjany dia anarana mpihira avokoa asa!mety andova kosa angamba ny taranany.Amin'izao fotoana i papa james dia mipetraka any afrik du sud na izany aza anfa dia mbola tsy mahafoy ny tany niaviany izy dia tonga mamangy antsiaka matetika ihany.

Hiran'i Papa JAMES (1)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106