Groupe Tija

Nampiditra raozigasy
12/04/2013 02:18
Hiran'i Groupe Tija 7 Jereo eto
Vangy : 1370
Mpankafy : 0 Ankafizo
Tarika Tija
Tamin’ny Novambra 2009 no niforonan’ ny tarika Tija teto Minneapolis, tao aorian’ny resaka izay nifanaovanay mpinamana 3 izay samy tia mozika. Izaho Tija irery no Malagasy no sady mpihira fototra ao anatin’ny tarika, ny 2 sisa dia mpitendry maty hanina samy avy Japana fa manambady sy mipetraka eto Etazonia avokoa.
Matetika manao cabarets na gigs (hoy ny Amerikana) izahay any amin’ireny restaurants, coffee shop ary fiangonana ireny, manao hetsika 5 isan-taona eo farafahakeliny ny tarika. Tamin’ny taona 2010 dia namoaka ny rakikira voalohany izahay, Blue, izay misy hira 8: Beautiful Autumn Day, Blue, La Fantôme du TGV (izay tsy misy idiran’ilay antoko politika Malagasy mihitsy akory), Persimmon Tree, Quaint Sleepless Night, Rainy Day In Minneapolis, Winter Tears ary Your Unfailing Love. Hira 2 amin’ireo dia nosoratan’i Tija R. ary ny ambony dia nosorotan’i Jun S. izay sady mpitendry gitara, basista no mpiandraikitra ny tarika amin’ny ankapobeny ankoatr’ilay La Fantôme du TGV izay nosoratana profesora mozika Amerikana izay nipetraka tany Frantsa tamin’ny fahazazany.
Amin’ity taona 2013 ity dia mikasa ny hamoaka ny album faharoa ny tarika, album izay hisy hira 2 amin’ny teny Malagasy nosoratan’i Raozigasy. Dia hisaorana manokana izy ny amin’ny tsy fisalasalana amin’ny fiaraha-miasa.
I Tija koa dia fantatra amin’ny fitiavany miara-mihira, manao interpretation (cover) irery na amin’ny namana maty hanina na tsia avy any ivelan’ny firenena izay misy azy ankehitriny na eo an-toerana ihany koa.
Ny tanjon’ny tarika Tija dia ny fizarana ny kanto sy ny talenta izay nomen’Andriamanitra azy ireo ary indrindra ny afahan’ny samy tia kanto sy mozika miara-mizara, miara-miasa ary mivelatra eo amin’io sehatra io.
Raha te hahafantatra misimisy ny momba anay na koa te hiara-hiasa dia tsidiho ny: https://www.facebook.com/pages/Tija/180226118929

Hevitra momba an'i Groupe Tija

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Groupe Tija (7)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0648