Fehizoro

Hampiditra sary Nampiditra bozdom
27/04/2004 07:41
Hiran'i Fehizoro 0 Jereo eto
Vangy : 1360
Mpankafy : 0 Ankafizo
KATSAHO
(Hira Vaovao an'ny FEHIZORO)

1-)Maro no maniry fiaianan-tsambatra sy soa
Mivezivezy etsy, mivezivezy eroa
Maro no mitady 'zay hampitombo ilay harena
F'izay ilay paradisa, na koa hedena
Misy mihintsy aza minia mandetika ny marina
Fa raha tsy izany hono izy tsy mba mihinan- kanina
Dia zary lasa nofy ilay vavaka sy voady omaly
Nanjary tsy tsaroana, aleo koa ho any

REF : Manaova ny marina
Mahay mifanampy, mifankatia
Manaova ny marina
Mandalo anie 'ty fiainana ity
Ataovy ao an-doha, KATSAHO tokoa
Ho santatr'ilay lapasoa

2-) Manomboka izao, ampahafantarina anao
F'ilay ao ambony ao, mizara 'zay sahaza ho anao
Fa voasoratra hoe :"Katsaho aloha ny Fanjakany
Dia hanampy anao izany rehetra izany..."
Dia anjary tsy ho nofy 'lay vavaka sy voady omaly
'Ty fiainana an-tany toy ny any an-danitra any

REF : Manaova ny marina ...

Hevitra momba an'i Fehizoro

(07/08/2003 18:57)
O! RYOLOM-BERY
Ô ry olom-bery, injao mitadyizao
Manontany sy miantso, aiza moa ianao?
Foiny ho anao, ny lahy tokany
Modiana tsy hita va ny fitiavany?
Ô valio ny antsony

Ref: Ô renay tokoa re ilay feo
Miantso hoe avia Tompo ô!
Fa izahay voageja ety
Vahao ny fatorana

Raha nanota ianao dia novotsorany
Ka ny fo malotonao dia nodioviny
F'Izy raha tety dia nolotoiny
Mba hisolovoina anao
Ref......

Hiran'i Fehizoro (0)

Mbola tsy nisy nampiditra hira

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011