You are here: home > Tononkira > Mpihira rehetra

Chorale Mimoza FLM Antsirabe Antampontanana

1345

Nampiditra : jantina
Tamin'ny : 17/10/2012 11:20:25

Mombamomba :
Ao amin'ny fiangonana loterana Antsirabe Antampontanàna no misy ny antoko mpihira Mimoza.
50 taona izao no nihorenany, nankalazaina tamin'ny taona 2008 izany jaobily izany.
Anisan'ny mampihavaka ny Mimoza hatrany am-piandohany ka hatramin'izao ny mpikambana ao aminy izay lehilahy daholo. Toy izany koa ny salan'isan-taonan'izy ireo izay hahitana zaza madinika 5-6 taona, ao rahateo koa moa ireo tanora,  dia ny olon-dehibe sy ireo efa zokiny  izay mbola mihira ao.

Hira fideràna an'Andriamanitra no ventsoin'ny Mimoza fa misy koa ny hira sasany karazana vako-drazana malagasy.

Ankohatra ny fihiràna ao am-piangonàna amin'ny fotoana samihafa toa ireo antoko mpihira amin'ny faritra folo ao anatin'ny FLM Antampontanàna sy ny KT, sy izay mety ho fandaharam-potoanany manokana, dia misy fotoana raikitra hihiran'ny Mimoza izay tsy miova toy ny antsampanahy krismasy fanaon'izy ireo isan-taona ao am-piangonàna isaky  ny 26 desambra.

Hametraka hevitra

Midira aloha