Hevitra momba an'i Antokom-pihira Akon'ny fahazavana

Hiverina amin'ny Antokom-pihira Akon'ny fahazavana Hampiditra hevitra
ndrianabe ( 11/02/2008 08:42)
Salama,
Efa naheno ny hiranareo tamin'ny onjam-peo sy efa nahazo an'ilay CD-nareo izahay fa tsara e! dia tohizo foana ny ezaka ho voninahitr'andriamanitra. Ndriana
flinde ( 11/12/2007 12:33)
Efa nivoaka ny album volume 1 akon'ny Fahazavana "Tsara ny midera".
Contact : akonnyfahazavana@yahoo.fr
flinde ( 23/10/2007 14:27)
Ny Antokom-pihira Akon'ny fahazavana dia Antokom-pihira ao anatin'ny fikambanana Zanaka am-pielezana atao hoe ZA.FI.MA.
Mitaiza ny mpikambana amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra. Ary mitory ny filazan-tsara amin'ny alalan'ny talenta izay efa napetraky ny Tompo aminay.Mankalaza ny fahadimy taona niorenanay izahay amin'ity taona 2007 ity, ary ao anatin'izany no hamoahanay ny rakin-kira voalohany.Vonona izahay hiara-hiasa amin'izay rehetra mitovy tanjona aminay dia ny fitoriana ny filazan-tsara izany.Koa arak'izany dia aza misalasala manoratra aminay amin'ny alalan'ity adiresy e-mail ity: akonnyfahazavana@yahoo.fr.Dia samy ho tahian'ny Tompo daholo.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1976