Hiara-dia

Lohateny Hiara-dia
Nampiditra Jather2024
Tamin'ny 8 andro lasa
Vangy : 36
    HIARA-DIA  Johane sy Larry



Fitia tsy mba kilalao

No omeko anao

Tsy nasiako Fetra fa

Nafoiko ho anao

Aza manahy intsony f'efa anao manontolo

Raha fitia no resaka 

Dia tsisy ohatranao

Ka sahiko eto ny milaza

Fa tia anao aho 

Lasanao avokoa ny amiko manontolo



Maro ireo , Fitsapana nisy

Fa tsy nampiova 

Ilay fitia efa vita voady



 Ref:  

Raiso ny tanako

Araho ny diako

Ka na mafy aza ny ady eto an-tany

Vonona aho ny hiatrika izany

´zany malalako

Mila anao ny fiainako

Na ho ahy ary izao rehetra izao

Dia tsy hilaiko raha hoe tsisy anao



  Ka na misy disadisa

Tsy atao handrava

N'izan'iza mety ho diso

Olombelona ihany

Ahitsio aho raha diso mba hanova ny ampitso

Manome toky fa hiezaka aho

Hiezaka anao izay hahasambatra anao

Na ho mafy na ho mora 

Na ho lavitra aza ny lalana ho diavina

 

Maro ireo , Fitsapana nisy

Fa tsy nampiova 

Ilay fitia efa vita voady



 Ref:  

Raiso ny tanako

Araho ny diako

Ka na mafy aza ny ady eto an-tany

Vonona aho ny hiatrika izany

´zany malalako

Mila anao ny fiainako

Na ho ahy ary izao rehetra izao

Dia tsy hilaiko raha hoe tsisy anao

  
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084