Ilay nosy

Lohateny Ilay nosy
Nampiditra rainikalo
Tamin'ny 11/02/2012 13:27
Vangy : 182
Salut. Nety daholo ny naoty napetrakao afa-tsy ilay Famaj eo @ tiako ny taniko. ôkay dada a!
Na lavitra aza aho


Tsy nanadino anao


Fa toy ny reny nitaiza


Tsy adino n’aiza n’aiza


     Fa nahitako masoandro


     Tiako sy mamiko


     O tadidiko isan’andro

      FaMaj     re
     Tiako ny taniko





Fiverenana: Fa tiako anie ilay nosy


            Fa nanabe, nibaby, nandrotsrotsy


            Fa n’aiza n’aiza


            Ho onenana


            Ny tany nitaiza


            Tsy maintsy hiverenana


            fa ao no hilevenana





Raha toa aho nandeha


Tsy hitahita, tsy re


Tsy hoe akory nanary


Fa nikaroka ny ahy


     Fa ny fanahin’ny fo


     Tsy taiza fa teo ihany


     O tany aminao avokoa


     Fa mamy ianao, tena mamy





Fiverenana.......








     Mahaleo (Dadah)    
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089