Ampidiro aloha ny tenimiafina
ADIADY
Tsy nisy jamba noho izay Minia tsy mahita iray Fa hadalana ny kilemany Izaho nitsapatsapa pahina Ninia nikipy taminao Takon'ny aloka tokoa Tsia, tsy hanindroa tsy hamerina Satria efa mahiratra Mivoady aminao fa hiova Aza hamafisiana ny fo Aza foinao fa mila anao Nitompo teny fantatra aho Ho manana ny marina Hay adalana ny fiheverako Fa toa sangy ratsy ity natao Nanifika ny tananao Nefa tsy mahatokana Aza dia tsarovana Ny ora sy andro lasana izay mangidy Sy mafy indrindra Mba avelao hivalona any. (1996)
