Dada malala
Lohateny
Dada malala
Nampiditra zanmal
Tamin'ny 08/03/2008 00:34
Vangy : 700
intro corde E
E-0-2---3-5---7---3-2-0----------------
Azafady ry Dada malala fa miantso ty zanakao
Em
Tsy fantatro na mbola mihaino na tsy mihaino ahy ianao
Em
Iza moa no hampita ny teniko aminao any ampasana any
D C
Ny olon-drehetra nafarako, tsy hita fa tany dia tany
B7 B7
Tsy nisy niverina intsony fa be re tofoka sy renoka
Em Em5# Em
Manadino ny tsiron'ny tany va re ka nisitaka
Em(corde D:5c G:4c B:5c) D Em
Te hiverina nefa tsy afaka mihidy rahateo moa ny fasana
D C
Kalokalo ary sisa no azoko atao
B7
Mba hitabatabako isan'andro aminao ô!
B7
Dada malala ô ô ô
Em A9
Mampamangy amin'ny rehetra
Em A9
Tsy hoe sanatria re miadaladala
Em A9
Fa ny reviko reviko ihany
B7
Dada malala ô ô ô
Em A9
Razana ianao fa tsy olona
Em A9
Raha iny hono ianao ka miverina
Em A9
Dia tsy anisan'ireo fokonolona ô ô ô an an!
B7 Em Em A9 B7 Em
Tsararatsororotsararatsororotsararatsaranzatselééééé
Em B xxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Miala tsiny ry maty rehetra izay mbola toa resin-tory
Miteny aminareo izahay nefa toa tsy mba renareo akory
Ny aty efa manerinerina re rahoviana ianareo no hiverina
Aoka tsy ho alina nefa fa matahotra ireo velona rehetra
Tsy laitran'ny balan'ny fanadinoina hisehon'ny angatra
Tsy aleo ve amin'ny atoandro ianareo vao mipongatra
Ilazao izay dadako izay fa niandry hatry ny ela izahay
Fa izy foana no antsoantsoina
Ka asaivo mamaly fa manafitohina ô!
Dada malala ô ô ô .......
Miala tsiny ry avelo rehatra izay mirenireny
Nahoana no anontaniana kanefa toa tsy miteny
Moana ary ve sa marenina sa kosa tsy azo tenenina
Avelo efa ratsy fanahy manao izay mahasosotra ahy
Manadala ny velona ve sa tsy misy sa kosa mananihany
Tsy misangy amin'ny maty aho ry dada ka aza dia be vinany ô
Aoka tsy hifan'alika fa maty sy velona isika
Niaraka ihany ve tety an-tany
Dia aiza no dia hisy an'izany ô
Dada malala ô ô ô ....