Ampidiro aloha ny tenimiafina
Toaka
C G Ny toaka re mazana F C Tena fandrika malama F C Mahatonga fahotana G G Ota be tsy hay tononina C G Ny toaka re, indrisy F C Ny soa vitany tsy misy F C Fa vao maika koa mampisy G G C Olana eo amin'ny fiaraha-monina G G Maro be ireo mafy ady C C C Mbola misotro ihany, misotro ihany G G G Na efa hivarina any an-kady aza C C Mbola misotro o ! AM G F Tsy mety fa efa tena miankin-doha F C Ka ny maraina vao mifoha G C Mangovingovitra Ny toaka re ranamana Tsy mba sarotra hananana Fa manary ny ao an-tanana Ny kely ananana no lasany Ny toaka anefa tsy ajanona Na dia mila tsy hahavanona Ho an'ny tsy mahalala onina Bota kely lasa tapany Efa miova hatramin'ny endrika Mbola misotro ihany, misotro ihany Menamena hatramin'ny molotra Mbola misotro o ! Tsy misy ny fihezahana hiala Fa rehefa tena lasa adala Vao afaka Ny toaka letsy rahalahy Be izay efa vita izay Maninona raha ovaina indray Tsy sanatria ovaina daina Ny daina mantsy rey olona Fahavalom-piaraha-monina Poizina tsy hay tononina Aretina manimba saina Rehefa hita fa tsy lasa intsony Dia mba aoka izay, aoka izay Tsy ho lany anie ny toaka sy rongony Fa mba aoka e ! Maninona raha zavatra hafa indray atao Ndeha manova kilalao Mikitikitika Izaho anie zareo Efa nisotro toa anareo Farany io navelako eo Ny antony dia tsotra ihany Raha samy hisotro daholo Ny vahoaka manontolo Iza indray no hanolokolo Ireo mamolava be vinany ?
