Hevitra momba an'i Solika

Hiverina amin'ny Solika Hampiditra hevitra
( 14/04/2003 19:06)
Ny tarika SOLIKA dia niforona tamin'ny taona 1989 fa talohan'izany dia ATAUM (Association Téatrale et Artistique de l'Université de Madagascar) no anarany nentiny satria mpianatra teny amin'ny anjery manontolo avokoa ireo mpikambana ao aminy. Nony taty aoriana dia nifanena indray ary tapa-kevitra fa hanohy hikalo sy hampahafantatra ny olona izany kalon'ny fahiny izany ka niova ny anarana nentiny satria efa tsy mpianatra intsony ka nanjary SOLIKA (Solofo Lian-Kanto).Efa telo (03) izao ny raki-kira navoakany:Fahatsiarovana, Dobla sento ary Mbola manina ve? dia efa nisy ihany koa ny raki-tsary navoakany tamin'ny fankalazana faha-10 taonany.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6832