Anitra Sarobidy

Hampiditra sary Nampiditra raozigasy
28/12/2009 22:08
Hiran'i Anitra Sarobidy 3 Jereo eto
Vangy : 2098
Mpankafy : 0 Ankafizo
Mpanakanto anisan’ny manana ny talenta nomen’Andriamanitra azy i Hanitra. 15 taona izy dia efa nanomboka nihira teny anivon’ny fiangonana ka ny fiangonana Notre Dame de Lourdes tao Manjakandriana Antananarivo no niakarany an-tsehatra voalohany tamin’izany tamin’ny taona 1995.
Tsy mbola nanana eritreritra ny handeha alavitra izy noho io talentany io fa niainany tsotra toy ny fiainana an-davanandro ny hira sy mozika ka notiaviny mangingina teny ary tsy nivoaka ny fiangonana mihitsy izy fa tao ihany no sehatra nahitana azy.
Tamin’ny taona 2000 izy no nanomboka nanapa-kevitra ny hanokan-tena manokana ho an’Andriamanitra ka hidera Azy mandritra ny androm-piainany.
Tsy mbola niaka-tsehatra nitokana na nanao ny seho ho azy manokana izy fa namaly ny antson’izay miantso azy rehetra ka n’aiza n’aiza dia tongany avokoa isaky ny misy miantso azy handray anjara amin’ny hira.
Fa nanomboka tamin’ny taona 2006 i Anitra Sarobidy no nanana ny mambra ho azy manokana miaraka mihira aminy toy ny mpanakanto rehetra.
- Taona 2006 ka hatramin’ny taona 2009, Atoa RARISON Maurice Alexis no Manager-ny izay sady niandraikitra ny tao amin’ny Groupe Verokely.
- Nanomboka ito volana Desambra ito no i Atoa Nestor ALEXANDRE no Manager-ny.
- Manana mpitendry 3 ny tarika : Doda – Njara – Antsa
- Mpiara-mihira 7 mianadahy : Heritiana – Daniel – Iary – Ando – Lucienne - Sandy – Tiana - Alain
- Amin’ny ankapo-beny, i Hanitra ihany no mamorona ny hira hirainy fa misy ihany koa ireo miara-miasa aminy akaiky toa an’i Hajatiana RAMAMBAHASINA – Alain – RANDRIAMAHEFASOA ary RADOFA Emile.
Notaizaina tao anatin’ny finoana Katolika izy saingy rehefa nanam-bady dia nanaraka ny vadiny ka ao amin’ny FJKM Betela Toamasina no misy azy izao.
Ny ahafahanao mifandray aminay ranestalex@yahoo.fr .
I Tantara 16,25 «Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra» io no andinin-tsoratra Masina ijoroan’ny tarika

Hevitra momba an'i Anitra Sarobidy

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Anitra Sarobidy (3)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099