Tsy naman'ny mihemotra (TongueNat)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsika tsy naman'ny mihemotra, mahatanty mangana
Ny empire tsy herintaona dia hitsangana
Tsy naman'ny mihemotra, atao tsisy miangana ny tanjona
Ny fiainana midangana
Fa tsy naman'ny mihemotra, ampiasao ny coco ozy TST BAZ
Hain'lah ilay pasy hoe ny fiainana toto, kozin'i Psykopasy
Tsika tsy naman'ny mihemotra, ny farany hono no mety lasa lohany, mila fifantohana
Tsy maintsy mody ventiny foana ny hatsembohana
Bandy mitady izany tsy naman'izay mitohana
Tsy naman'ny mihemotra, aiza no tsisy olana? Fa misy ny vahaolana
Modiko tsy miteny, tsy mivolana
Ny olona mpanapepo mpanararaotra ny fahatsorana
Tsy naman'ny mihemotra, satria mitady vokatra ohatran'ny mpihaza
Mila S ohatran'ny mpiasa, ny an'ny mpanefoefo ary tsy mety ampy azy
Efa hampitapy azy
Tsika tsy naman'ny mihemotra, satria any aloha ny ho avy Andriamanitra lohalohavy
Fijery négatif, tsy mampandroso izany fa alohavy

Tsika tsy naman'ny mihemotra, mihemotra
Fa miroso foana, miroso
Satria mbola noana

Tsika tsy naman'ny kamo mpanao klou eny am-pandriana
Miandry vatsina
Resaka andevo sy andriana
Ny teny havoakan'ny vava koa mba kajikajiana (hein!)
Tsisy mahavita irery fa ilaina ny hery mitambatra, fifanampiana
Tsy hoe tafa vao japijapiana
Tsy paradisa ny tany nefa tsy fampijaliana, rehanao izay!
Ny fiainana raha fanenjika, tsy isika ilay boka
Masahia milokaloka fa ny fandriky ry tavany atao mandamoka
Mamindra milamina fa tsy mihogahoga
Tsy mihogahoga, filamatra ilay parsi
Peace ho an'ny tary sy ny sipa
Tsy misioka raha tsy tafavoaka ny ala
Be laoika, manambana @ basy tsisy bala
Bala bala balawasy, rohasy rohasy, tsy miaraka amin-dry tazy
Mpiandriandry magie
Théorie zato, pratique iray tsisy ny azy.(Oooo!!!)
Tsika tsy naman'ny be tatatata
Satria tsisy mangidy tsy handramana
Soa fa tsy basy ny vava ra-ta-ta-ta
Maty ny havia sy havanana

Tsika tsy naman'ny mihemotra, mihemotra
Fa miroso foana, miroso
Satria mbola noana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TongueNat
Vangy : 1629
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 31/03/2016 14:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745