Soa ihany (Tinah)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Houu ouu ouu ouu ouu ouu… houu ouu ouu…Ao anatin'ny haratsiana tena feno hafaliana
Mangidy fa toa feno hamamiana
Mahatamana, mahavariana
Nefa tena lapan’ny fahoriana, hummm!
Niaina, nanao adalana, nirifatra tsy tàna
Revy be manadala nandaniana ny fahatanorana
’Fa saika tara izay vao hoe soa ihany!
Ny saina no nampahatsiahy:
"n’fahatanorana anie tsy ho mandrakizay"
Fa tena hoe soa ihany!
Mba voadona tany izay vao nahay,
Raha tsy izany tsy fay…
Ampy zay! iza moa n’tsy nahay
Raha ditra izany efa nataoko mamay
Fa tena hoe aok’zay!
Aleo mba ho an'ny taranako
Ilay fahendrena sisa mba ananako…
Tamin'ny fiainako ô hô!
Dona-tsetroka, nifoka, nigoka
Nataoko rano fisotro ny toaka
Na misy fety na revy izaho tsy mitsoaka
Voalohan-daharana
Noheveriko hoe "izay ilay fivoarana"
Ray aman-dreny nananatra natao vazivazy
Hoe "n’fiainana tsy vitan’ny manalazy"
Mbola mitohy ny tantarako ô!
Nihevi-tena hoe tsara sy manja
Vao misy mampiresaka dia miadaladala
Tsy nandinika "n’bandy anie ka mba te hanala"
Fa tena ampy izay! Rendrarendra aok’zay e!
Ampy zay! iza moa n’tsy nahay
Raha ditra izany efa nataoko mamay
Fa tena hoe aok’zay!
Aleo mba ho an'ny taranako
Ilay fahendrena sisa mba ananako…
Ampy zay! iza moa n’tsy nahay
Raha ditra izany efa nataoko mamay
Fa tena hoe aok’zay!
Rendrarendra taloha
Sy izay rehetra vitako tsy nisy nahasoa
Ampy zay!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : TinahVangy : 19
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ogniahtononkira
Daty : 08/06/2026 11:14
