Ny amany (Tann faya ft Mason'Aloka 301 Madagascariensis)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY AMANY😎🔥🤟🏻
Tann Faya & Mason'Aloka
Nampianarina elah tsy handah, hanaiky tsisy ady hevitra, voarora, voaopa, voalako, tsy folaka fa mandefitra
Nampianarina elah tsy ho sahy, hatahotra polisy ny lalana sy ny manampahefana, mpiasam-panjakana
Nampianarina elah hanompo vazah, ny sinoa sy ny karana, nampianarina ho gasy kely karama
Nampianarina ho any ampita fa eto dago tsy matamana zah tsy anisany..veloma ry fazazana
Tsemboka de minana voky de mangery, teraka de zaza lebe de miady rery, de aveo elah maty rery
Lojika fa tsy voatery, araraotiko ny ah ny life na ray segondra aza tsy very
Raha resaka misy tery, na theorie anah complo, zah complisin'Jah na koa hoe tafika ambonina hiraka micro
Raha ny fiainan'zao tontolo zao anti fa tsy trop, aleo miandrandra ny anzaone any am raDagoh

REF:Nampianarina ah hoe ny tanana ankavanana manoratra lainga io raha ny tanana ankavia
       Nampianarina ah hoe aza miady fa mamotaka, kombaka nefa ty ilay fitia
      Lalana mahintsy efa nizorako terenao hiolakolaka ankavana ankavia
      Koboko hoe ny lalana efa nodorako manomboka eto zah mba haka fafiny haka fyh

Tsaroako foana ilay teny ataonao hoe mianara tsara, hoe raha misy nofy tsy to de hoe tsy haky hiala
Tandremo de tandremo ny jamala, io hono malasa adala
Nanarina ny fitafy, rarana elah tsy hiRAP ny amany eh, tohizako foana io ry zama mandrapafaty
Lainga nafafina ny hoe milamina, hatramzay nefa raha ory ny namana tsy nihavana taminy
Sasana ny ati-doha an'lah hoe tsisy fika raha vao tsisy ropatsa io hoa tsy quoi
Nenay efa nakiniko tam Jah, rapitso ndray aloha iny tsy mampanahy
Zanahana ny saina, manao zavatra ray voakozy fona hoe ty mahaiza miaina
Na mety na tsy mety, fa inona marina ary, aleoko ihany lessy ny lalan'Zanahary

REF....

Tena aleo zah hitia tsy hiatsaravelatsihy, voafelaka ny havanana nampianarina hoe atolory koa ny ankavia, ny amany eh
Miala tsiny aho am fahavalo sy ny ambodia de tsika samy ambo de handramo de asio carry
NB: coms ny tohiny ry zama isany a🔥🖤
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann faya ft Mason'Aloka 301 Madagascariensis
Vangy : 173
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Toucki
Daty : 03/09/2025 17:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0173