Tsy nanenina (Taf'Yray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:
Tsy nanenenako ôh!ô!
Tsy nanenina aho nandray Anao
Fa miha-tsara isan'andro ny fiainako,
Azo antoka ny hoaviko ôh!
Tsy nanenenako ôh!ô!
Tsy nanenina aho nandray Anao
Nohon'ny famindram-ponao,
Izao aho sambatra.

Impiry impiry Ianao
No nanambitamby ih!
Hoe ny foko hitoeranao
Ianao tsy sasatra niandry.
Impiry impiry Ianao
No nanome toky
Fa izay nandray Anao nomenao hery,
Ho zanakao.

Ref:...

.... (Fony izaho mbola tsy nahalala n'inon'inona! .... Dia niaina tao anaty maizina, kanefa tonga Ianao!, namonjy ny fiainako, namonjy ny fiainako!)

Mandondona ny fonao Izy, (Mandondona ao am-ponao Izy Anio! (Anio, sokafy ho Azy ny fonao)
Ny tenanao hanjakany, (Avelao hitoetra Izy, hanjaka am'fonao, hanjaka am'fiainanao rehetra)
Tadidio!

Fa ho soloiny fiadanana, ny fijaliana
Andramo dia ho tsapanao,
Fa tsy hanenina ianao.

Ref:...

Pont:
*Nisedra olana aho vao tonga saina!
Hay moa misy Anao
Dieny mbola misy fofon'aina!
Ampandrosoiko Ianao.
(X2)

Ref:
Tsy nanenenako ôh!ô!
Tsy nanenina aho nandray Anao
Fa miha-tsara isan'andro ny fiainako,
Azo antoka ny hoaviko ôh!
(Azo antoka ny hoaviko ô!!)
Tsy nanenenako ôh!ô!
(Heeh!!)
Tsy nanenina aho nandray Anao
(Heeh!!)
Nohon'ny famindram-ponao,
Izao aho sambatra
(Sambatra aho, manana Anao)
Nohon'ny famindram-ponao,
Izao aho sambatra
(Misaotra Tompo ô!)

(Nohon'ny famindram-ponao,
Izao aho sambatra...)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Taf'Yray
Vangy : 546
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 03/02/2023 19:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728