AREHETO NY JIRO (SLKM Moria Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anaty alina mangina no (Nandre ny feonao niantso ahy)
Nandre ny feonao niantso ahy aho ka nifoha (Tao anaty torimaso mahasodoka)
Tao anaty torimaso mahasodoka aho (No nisintomanao ahy hitsangana)
No nisontomanao ahy hitsangana hivoaka (Tao anaty rendrarendram-piainana Jesosy a)

Tao anaty rendrarendram-piainana mahasondriana (No nitenenanao mafy aza variana)
No nitenenao mafy hoe aza variana (Miaingà, mandehana, tanteraho)
Miaingà ka mandehana tanteraho
Ny asa fanompoana nanirahako anao (Tao anaty haizim-pito)

Ref
(Tao anaty haizim-pito ny Teninao nanao hoe (areheto ny jiro)
Areheto ny jiro, hazavao ny haizim-be (areheto ho hita)
Areheto ho hita izay matory aoka hifoha
Tanteraho dia ho vita, afafazo ny voa) x2

Zinona moa zahay Jesosy no mba nofidinao hanatanteraka ny asanao?
Olombelona mpiodina, mpanota, mpanao meloka, mpanompo tsy mahasoa
Ny ataonay ihany no ataonay, nefa hoy Ianao hoe Ny adalan'izao tontolo izao
No hofidiko hampamenatra ny hendry ary ny malemy amin'izao tontolo izao mba
hampamenatra ny mahery (ou ou ou)
Koa mandehana hoy Ianao areheto ny jiro, hazavao ny haizimbe,
Fa efa nahazo maimaim-poana ianareo (ou ou ou) ka hizara maimaim-poana.

Tao anaty olana sy aretina sy fahoriana (nanamboaranao lalana)
No nanamboaranao lalana ho fitahiana (tao anaty fisedrana)
Tao anaty fisedrana nifanesy (no nanangananao ahy hivoaka mpandresy)
No nanangananao ahy hivoaka ho mpandresy (ka raha mbola homenao tombon'andro hatrany aho Jesosy a)

Koa raha mbola omenao tombon'andro hatrany (dia hoentiko manao ny asanao anie zany e)
Dia hoentiko manao ny asanao anie izany (raha mbola omenao vatana afaka hiasa)
Raha mbola omenao vatana afaka hiasa aho (ihazakazaka hanao mihoatra)
Ihazakazaka aho hanao mihoatra noho ny lasa (tao anaty haizim-pito)

Ref x2

Misaotra Jesosy, misaotra Anao mbola nifidy anay hanatanteraka ny asanao (ouou)
Handeha amin'izay, vonona izahay ho iraka hitety izao tontolo izao
Hitory ny Filazantsara, Misaotra Jesosy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLKM Moria Itaosy
Vangy : 786
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sarobidy
Daty : 18/07/2024 12:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774