Be akitiny (Sherz - Be akitiny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Be ankitiny zaka vitanao
Zañahary Babanay e
- Ke navy hanambara ny haravoana
Ndraiky hafaliaña zahay zanakao : (in 2) -

Misaotra anao a baba
Misaotra anao zahay e : (in-2)
Fa anao ny hery
Zañahary tompon’ny fahefana
Fa anao no tompon’ny fahefana
Na eto an-tany na any an-danitry e
  A baba e, a baba.

2 -Nomenao anay i Jesoa Zanakao
Ho modely ho anay e
- Izy koa tsy izy dônko nampianatra anay a Baba
Tsy hay tany nisy anay. - (in-2)

Misaotra...
Fa anao Mahery
Zañahary mpamonjy ny olombeloño ô
Fa anao ny laza
Zañahary ambonin’ny zaka jiaby e
A Baba e, a Baba.

3 - Nomenao ny Fanahinao
Hanazava saiñinay e
- Lehibe ny fitiavanao anay
A Baba...Isaoranay anao : (in-2).

Misaotra...
Fa anao Zañahary be fitiavana
Fa anao Zañahary tsy manavakavaka
Fa anao Zañahary be fandiferana
Anao Zañahary tia olo jiaby e
A Baba e...a baba.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sherz - Be akitiny
Vangy : 4093
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 12/08/2005 22:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719