Kala Bozy (Ry Nao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry kala Bozy
Bozy tiako indrindra
Ny ao anatiko ao miredareda
Fa mila rano
Rano avy aminao
Hanala hetaheta

Rahan ny rano natsakaina anie ry bozy
Dia mbola hody ventiny
Irony ravina nihinana ry bozy
Dia mbola tsy ho maina

Réf: oh oh ry bozy
( O ry kala Bozy)
Bozy tiako indrindra
(Ah ah ah)
Ny ao anatiko ao miredareda
Miredareda
(Fa mila rano)
Fa Mila rano avy aminao
(Rano avy aminao)
Hanala hetaheta

Fa ny tranon'Iarivo anie ry bozy
No toa mijoalajoala
Fa ny aty vakiniadiana anie ry bozy
Dia be kirihitr'ala

Oh oh ry bozy....

Raha mba teo anilanao any aho ry bozy
Dia mba nikofokofoka
Raha mba nisy zava-bita angamba tao
Angamba enao tsy tofoka

Oh oh ry bozy

Fa fitia izay nokoloiko anie ry bozy
Dia tena latsa- paka
Izay manongotra azy io angamba retsy
Dia mety ho voadaka

Oh oh ry bozy ....

Rehefa be mpanelingelina ny saiko
Ka be misary adala
Nefa izy ireny tsy mba ety tiako
Izaho tsy te ahalala

Oh oh ry bozy....
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ry Nao
Hits : 411
Likes : 0 Like
Created by : tsamoun
Date : 19/04/2025 18:00
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3455