Bye Bye Baby (Rlï)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mmmm
Mafy ny mbola tia
(mmmm)
Fa aleoko manary dia
(veloma)
Manohy ny lalana irery
(bye bye baby)
Raha tsy tara loatra aleo
(ohhhhh)
Manamafy ny saina
(veloma)
Mamonjy ny aina
(bye bye baby)
Ka veloma ry olona tiako
(ry olona tiako)

In-zato aho no nanomana
Ity fotoana ity
Hoe hifankahita indray isika
Kanefa taitra aho satria
Tsy nampoiziko hoe androany
Tsy dia vonona tahak'izany
Nanantena aho
Fa sambatra ianao tany
Izaho indray taty
Soa mba nijanona ny tomany
Efa fotaona maro no lasa
Nefa toy ny omaly ihany
Satria vao nitsiky ianao
Dia resy indray ity fo adala
Efa vodona impiry?
Haratra be ve izay vao ho fay?

Mmmm
Mafy ny mbola tia
(mmmm)
Fa aleoko manary dia
(veloma)
Manohy ny lalana irery
(bye bye baby)
Raha tsy tara lotra aleo
(ohhhhh)
Manamafy ny saina
(veloma)
Mamonjy ny aina
(bye bye baby)
Ka veloma ry olona tiako
(ry olona tiako)
Bye bye bb
Bye bye bb
(bye baby)
Bye bye bb
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rlï
Vangy : 276
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rlimusic
Daty : 10/10/2025 06:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1817