Ô isa e! (RAHA TSY AO AMINAO NY FANAHY ) (RAZAFIMAHATRATRA RENE)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô isa e! Ô isa a!Isak’izay mahatsiaro anao dia malahelo o!
Ô roa e! Ô roa a!
Rohizan’ilay olon-tiako any aho ka tsy afa-miala e!
Ô telo e! Ô telo a!
Teneno amin’ny ratsy efa vitako aho fa mbola adala e!
Ô efatra e! Ô efatra a!
Hanafarako fara-mandimby izay tsy mahalala e!
Ô dimy e! Ô dimy a!
Diniho amin’ny Soratra Masina aho fa hanambady e!
Refrain:
Na tsara tarehy aza ianao o!
Ka tsy ao aminao ny fanahy
Akoso-bolamena
Mamiratra jerena
Na tsara tarehy aza ianao o!
Ka tsy ao aminao ny fanahy
Akoso-bolamena
Mamiratra jerena
Ô enina e! Ô enina a!
Tsy manenina alohan’ny ratsy any aho fa azafady e!
Ô fito e! Ô fito a!
Fitiavana mahay mifanaja ho’aho no tsara indrindra o!
Ô valo e! Ô valo a!
Hivalozan’izay ratsy vitako aho fa ’ndrao mandratra e!
Ô sivy e! Ô sivy a!
Tsy ho kivy amin’ny fanantenako re fa manantena o!
Ô folo e! Ô folo a!
Efa folaky ny ankehitriny any aho vao hitanao o!
Refrain :
Na tsara tarehy aza ianao o!
Ka tsy ao aminao ny fanahy
Akoso-bolamena
Mamiratra jerena
Na tsara tarehy aza ianao o!
Ka tsy ao aminao ny fanahy
Akoso-bolamena
Mamiratra jerena
Ô isa e! Ô isa a!
Isak’izay mahatsiaro any aho dia malahelo o!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : RAZAFIMAHATRATRA RENEVangy : 761
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jordyrazafy
Daty : 25/05/2022 13:06