Aiza isika no hanasa lamba (Rasamy Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ô, aiza isika no hanasa lamba
Ity lambako ity anie
Lamba saro-pady zareo
Ka tsy asoka tambiazina lahy ô
- Aiza ô, aiza isika no hanasa lamba
- Lamba tena tsy foiko ô
- Mifidy rano hisokana
Ny eny Mandroseza rano fisotro ny any
Ka tsy azo lotoina
Ny eny Tsimbazaza zaridaina vita lamaody
Ka tsy hanasana intsony zareo
Aiza ô….
Ny eny Anosy farihy manan-dalàna ny any
Ka tsy azo dikaina ô
Ny eny Mahazoarivo be ravin-tatamo zareo
Ka andrao mahamangan-damba zareo
Aiza ô….
Ny any Itasy lavitra loatra ny any
Sady be mamba ô
Ny any Alaotra farihy saro-pady zareo
Ka zahatra no mampita zareo
Aiza ô….
Ndeha re mba hody sao tratry ny alina
Ka hanjary nenina
Izay aleha rehetra tany be fahavalo zareo
Ka aoka ho tapa-kevitra lahy ô
Aiza ô….
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rasamy Gasy
Vangy : 1374
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/02/2015 00:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1369