Mitamberina (Ramian ft Jao Fo Zie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Lasa nofy ireo tantara novolena
Manembona ilay tsikinao zay volamena
Fahasambarana ilay teo anilanao
Fa kotsan-dranomaso rehefa lasa ianao
Nitomany irery tam-pandriana
Very fa nilaozan'olon-tiana
Dify ilay fitiavana nirina
Mahatsiaro banga sy fiafiana

Refr: x2
Raha misy azo atao dia lazao aho
Antsoy aho raha mba sendra henonao
Lay antso mangina anaty foko ao
Mitalao anao, mitady anao

2- Tsy mbola nisy fotoana iray,nanadinoako ny taloha
sy ireo fahatsiarovana nandreraka ny loha
izay mitamberina ato an-tsaiko ny maraina vao mifoha
ny alina mangina raha mikipy ny masoko roa
Irery ao anaty ny aizina aho dia mibanjina ireo kintana
dia mitomany ,mitanondrika satria niangaram-bitana
dia rivodrivotra malefaka sisa no lasa tambitamby mampionona
f'ireo teny mampahery ,efa tsy misy mpanonona
dia miezaka ny mampionon-tena mba tsy ho very fanantenana
'lay masoandro takon-drahona mbola hiverina hanafana
ankehitriny anefa ,efa sarotra amiko ny misedra olana fa voageja fatorana izay tsy nahitako vahaolana
dia mivavabavaka mafy,mangataka amin'Andriamanitra
ambony ny masoko,mibanjina ny lanitra
nefa masoko roa jambena,
fa voatomboka endrika iray
'lay nilaozako irery ,'
lay tiako mandrakizay .

Refr: x2
Raha misy azo atao dia lazao aho
Antsoy aho raha mba sendra henonao
Lay antso mangina anaty foko ao
Mitalao anao, mitady anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ramian ft Jao Fo Zie
Vangy : 957
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jao_fo_zie
Daty : 11/01/2022 19:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0298