Nareo ve (Raboussa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nareo akaiky eo iany nefa mody tsy mahita
Ilay gasy mahantra mangataka mipitrapitra
Nareo akaiky eo iany nefa mody tsy mandre
Nenayno ampandeferina ny anareo no bedabe
Nareo akaiky eo iany nefa mody tsy malala
Tsy ahy oe mody gisa, tsy ahy na mody adala
Nareo akiaky eo iany nefa mody tsy miteny
Mampy tia i tabataba mampy tia anopa reny
Nareo mahita anay nefa toa tsy mba mitsetra
Nefa izahay mijemboka manao ny retraretra
Nareo malala fa tsy mety nefa manao
Nefa raha tsy misy anay angie nareo dia very e.

Nareo tsy tia manome
Nareo tsy tia mizara
Nefa tadidio fa an’I gasy madagasikara

Nareo ve efa mivika nareo ve efa mivaha
Gasikara isika fa tsy omena an’I vaza
Tsy omena an’I vaza

Nareo ve efa mivika nareo ve efa mivaha
Gasikara isika fa tsy omena an’I vaza
Tsy omena an’I vaza oa
An’I gasy Madagasikara

Nareo ve X3

Dia nareo ony misy spons enjana be
Dia izany no matonga anareo lasa mampime
Nareo tsy tia miafy
Nareo tsy tia mitsitsy
Nefa izahay maro be fa nareo olombitsy
Dia izahay mitady fika tafita andro aman’alina
Nareo anefa baikony vaza sy afrikanina
Dia izahay tia iara iasa nefa nareo tsy mila
Tsy ahy tsony nareo raha mpiara miasa amindr-Ramenabila

Nareo toa tsisy fo
Nareo tsy be rara
Betsaka ny gasy no efa latsandra
Nareo ve mba misaina e
Nareo ve mba mi-etude
Fa raha mitohy izao dia mifarana aminy gidragidra


Miandry anareo zay mba mievo Tanana mba ampio
Nareo ve tena nareo soa dia tsy nareo ary io

Nareo toa mananiany
Nareo toa manorisory
Tsy hitanareo ve zahay reto fa efa sosotra e
Tena sosotra e

Nareo toa mananiany
Nareo toa manorisory
Tsy hitanareo ve zahay reto fa efa sosotra e
Tena sosotra oa

Nareo toa mananiany
Nareo toa manorisory
Tsy hitanareo ve zahay reto fa efa sosotra e


Be ny Gasy no efa latsandra
Nareo ve X3

Avaty aminay atolotra ho anareo
Asa indray nareo zao raha mieno

Raboussa tsy oe lavorary manao ambava ratsy
Ambarako aminareo fa ity penona fa tsy basy
Nefa mba mikozy fa ny gasy ange mahery e
Izahay sy ianareo miaraka no poinsa tsy very.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Raboussa
Vangy : 6787
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HanyCherie
Daty : 29/07/2013 05:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747