Fomban-dehilahy (Raboussa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba fantatrareo ve oah, ny fomban'ny lehilahy
N'iza n'iza rehefa bandy, na gasy na vazaha
Vao misy tovovavy, mandalo ny arabe
Ankoatry ny anabavy an, maso efa mandeha
Misy mivadika snooby, te hikôzy hoe andraso!
Ny sasany mitsioka, sasany manao pi-maso
Tsy mila hoe beau-g io, na rasta na sola
Fa mila mahay miresaka, na bandy manam-bola
Io tsy mifidy taona, na ketrika na nandra
Na zandry mbola mianatra, na zoky efa mikandra
Fa tratrany daholo hoatran'ny aretina virus
Na mitondra 4×4 io na ny any anaty bus
Tsy haiko hoe inona ny mampiherika inona ny mahavarina
Tarehy avy eto aloha ve sa le zavatra ao arina
Tsy misy miala maina sipa kely sy madama
Fa tsy haiko tamin'ny andron'i Adama

Ref:
Efa aretina ikambanana ve, mijery vehivavy eny an-dalambe
Na madimozely io ho'aho na ramatoa, tsisy miala maina avokoa
Efa aretina ikambanana angaha, raiki-tampisaka ho antsika lelilahy
Ny sasany aza efa razokiny be, mbola miherikerika eny an-dalambe.

2:
Fa loza koa nge oah indraindray, ny ataonareo vevavy
Manitona ny maso aiza izahy no tsy hierika ho azy
Manaitra ny filahana, rehefa mba mandeha
Miodina eny amin'ny tanána, zipo hatreny ampoto-pe
Tsy haiko ny andro na mafana, zah aloa de maty lolo
Ny sasany miseo ny fôtrany iray manontolo
Tsy hiteniteny foana, lela avadiko im-pito
Fa indraindray efa mila ho aseo hatramin'ny silipo
Dia izay ve ny lamaody, sa ny andro no mafana
Fa aza omena tsiny zay ny maso adaladala
Raha sendra mba voabanjina eo, ka retsy hilongolongo
Fa maso mijery tsy mitondra mody

Ref:
Efa aretina ikambanana ve, mijery vehivavy eny an-dalam-be
Na madimôzely io ho'aho na ramatoa, tsisy mialamaina avokoa
Efa aretina ikambanana angah, raiki-tampisaka ho antsika lehilahy
Ny sasany aza efa razokiny be, mbola miherikerika eny an-dalambe

3:
Fa ity no tena mampihomehy, kôziko ihany fa tsy quoi
Eny an-dalana rehefa miaraka ny vadiny zalahy
Mody matotra amin'ny solomaso mainty be
Maso ao anatiny ao nefa mijery ady clé
Dia raha vao tsy eo ny vadiny "de miantso izy hoe avy"
Dia hafeniny ilay peratra amin'ny tanany an-kavia
Dia izay le fomban-dehilahy, anao sisa mitsara hoe an'iza ny tsiny amilay tantara.

Ref:
Efa aretina ikambanana ve, tsy misy maha kely io na maha lehibe
Na madimozely io oah na efa madama, samy mampihanahana
Ka iza amitsika zalah, iza no tsy ho tratran' ilay fakam-panahy, mijery vehivavy eny andalam-be!
Raha tsy dia hoe efa PD.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Raboussa
Vangy : 7405
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : centinno
Daty : 07/03/2016 13:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0697