Efa Fantatrao (Raboussa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nolazaiko fantatrao…
Efa nolazaiko fantatrao…

Efa nolazaiko, efa fantatrao
ianao irery no tiako, za tsy mila vaovao
Ianao lay nahababo ahy, ianao lay tsy atakalo
Mampisy ainga-panahy, mitondra kalokalo
Dia aza miasa saina ianao fa za nge ho’ah tsy niova e
Na any @ ghetto io, na any anaty rova
Dia aza miasa saina ndry fa za nge ho’aha tsy miàpa
Na ao an-trano bongo io, na any anaty lapa

Tsy niova lay fitia, mbola ho lava ny tohiny
Tsarovy za lay niteny hoe tiako ianao t@ voalohany
Dia nisy ratsy loha, nisy mpankahala
Tsika tsy nivaky loha, nanangana fanondro adala
Fiainantsika hatrizay, androany averiko eto
Fenoiko tsikitsiky, esoriko ny sento
Nataoko anaty vazo, ao lay hafatra mitohy
Anaty refrain raha sitrakao dia mba henoy

Ref :
Efa nolazaiko fantatrao, aza hodiana adala
Fiainako fitiavako ianao
Efa nolazaiko fantatrao, hatramin’iny ka hatramin’izao
Fianako fitiavako ianao

Efa nokoziko ho’ah, efa kobonao
Ianao irery ny tiako, hatramin’zay ka hatramin’izao
Tadidinao ve ny taloha, lay t@ mbola mafy ny ady
Za te hanambola be, ianao te haka an’ahy ho vady
Tsaroanao ve andro avy orana, lay rahona efa mainty
Tsika mandeh tongotra mirava avy eo @ la sainte
Za lay mbola boto, ianao lay tambitamby
Kalamina ny foko, fitia mahery nohon’ny sandry

Efa fantatrao ho’ah, aza manontany
Ianao lay mpanafana an’ahy otran’ny akanjo arak’izany
Efa fantarao kah, efa notononiko
Tsy resaka finoana, ianao no solon’ny rongoniko
Fiainantsika hatrizay, androany averiko eto ndray
Fenoiko tsikitsiky, esoriko ny sento
Nataoko anaty vazo, ao lay hafatra mitohy
Anaty refrain raha sitrakao dia mba henoy

Ref :
Efa nolazaiko fantatrao, aza modiana adala
Fiainako fitiavako ianao, n'inoninona hitranga
Efa nolazaiko fantatrao, hatramin’iny ka hatramin’izao
Fiainako fitiavako ianao.

Efa nolazaiko fantatrao, aza modiana adala
Fiainako fitiavako ianao
Efa nolazaiko fantatrao, hatramin’iny ka hatramin’izao
Fiainako fitiavako ianao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Raboussa
Hits : 26
Likes : 0 Like
Created by : LurissAdr
Date : 25/03/2026 17:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0455