Hevitra momba ny Miaramila an'ady

Hiverina amin'ny Miaramila an'ady Hampiditra hevitra
Tanjaka ( 8 andro lasa)
Mankasitraka nizara ny tononkira mahafubaritra 🙏
matony28 ( 29/04/2017 19:31)
Mitady ny tonokira "ĂŽ ry anaka tiako" nosoratan'i NDROY ary nohirain'i tanora moks la haute tao @ salle des fĂȘtes du lycĂ©e gallieni.
LÎ,Roby,Hary,Hery,Denis,Théo,Potsy,Razama ireo mpihira...T@ izany.
Ireo tary mpihira teo antanimalalaka Lahaute ary anisan'ireo nipoiran'ireo hira maro(sĂŽva,hira) navaozina ankehitrio.
Misaotra mialaoha
svetlanadia ( 26/04/2017 21:36)
Mba mitady ny feon'ity hira ity raha mba misy mahalala any amin'ny youtube na vevo na hafakoa.
Misaotra mialoha.
svetlanadia ( 26/04/2017 21:34)
Ny ady efa vita, nangina avokoa
Ny basy sy tafondro nanakoako,
Ireo miaramila samy lasa nialoha
Namonjy ny akaniny nilaozany taloha.

Izaho irery sisa mbola tafajanona,
Fa azo babo aho ka nigadra elabe.
Ny havako rehetra efa nanadino ahy,
Noheveriny efa maty aho ka dia nisaonany.

Kapiteny o, aiza moa ny sambonao?
Sao misy toerana any mba ento aho re!
Tsy mampaninona ahy ny hiasa aminao,
Izaho tsy manam-bola nefa kosa te-handeha.

Na efa nanadino ahy ilay sakaizako,
Ka lasan'olon-kafa ilay malalako,
Mba ento aho re hihaona amin'izireo
Hahita maso indray ilay tanindrazako.
ikalamako ( 31/03/2017 15:59)
tena Alondrano marina annn.. toa manakaiky ny fitadidiako tokoa izay fa nisy fotoana koa aho nieritreritra hoe sao dia Simon Randria.
Misaotra anareo e
MAHERIJAONA ( 31/03/2017 12:07)
NY ALON-DRANO NO MIHIRA IO HIRA IO !
jantina ( 02/06/2015 09:13)
Hiran'i Simon Randria angamba ity izay
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0727