toa mpiray tampo (Mamy Gotso)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorako ny Tompo be dia be
Nanome ahy ireo namako marobe
tsy namela ahy ho irery n’aiza n’aiza tany naleha
Tsy nifidy foko na tarehy
tsy nijery fananana na nitamby izay harena
tsy sanatria nifanery fa niray an tsitrapo e!
Ka nifandray tao mpiray tampo

Ka dia hiariary foana manomboka izao
hibalibaly foana fa namako ianao
hiara-faly @ fifaliana
hiara-ory @ fahoriana
hifanasoa
toa mpiray tam-po

enga anie ry tompo Zanahary
ho mpinamana foana izahay mandrakizay
Tsy hifanambakambaka na hifanao reo toetra tsy zaka
fa hitia madio tsisy fiatsarambelatsihy
Sanatria tsy hifanambanimbany
niezaka hatrany hatrany mba tsy hifamaly
Ialanay tsiny izay jaloux fa zahay miray fo
hifanasoa tao mpiray tampo
Na dia be aza ireo disadisa reo fakam-panahy analin’kisa
tsy ataonay hampisara-bazana anie !sanatria
ireo namanay ratsy fanahy
nananihany anay hatrizay
raisinay tanan-droa raha toa hiova fo

ka dia hiariary foana...........................
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Gotso
Vangy : 2799
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 21/08/2004 14:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761