Ny ratrako (lou)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(intro)Ny riakan’ny Ikopa tsy nijanona nikorina,
ary volon’andro omaly tsy hody fa hisolo fangirifirina
nefa ny foko mbola mihira anao
nefa ny foko mbola mihira anao ...
ianao izay efa namono ahy
ianao izay efa naleviko lalina
no mbola manangatra ahy foana sy ho mandrakizay
maro ny voankazo fa ny voarara no mahasarika
na ianao ary tsy toa ahy fa lasa indro nangarika
nefa ny foko mbola mihira anao
nefa ny foko mbola mihira anao ...
(interlude)
fa ahoana no izao no mba foinao ahy?
ianao izay tsy nampoiziko fa ho sahy?
fa ahoana no tsy hotanteraka mihintsy ny amintsika?
fa ahoana? fa ahoana? fa ahoana no dia tsisy fika? ...
ianao izay efa namono ahy
ianao izay efa nalevoko lalina
no mbola manangatra ahy foana sy ho mandrakizay
nefa ny foko mbola mihira anao
nefa ny foko mbola mihira anao ...
(outro)
trambo (ny tarika trambo, mpanao neo-punk, misy any lou no mihira anio hira io)
--------
Rohy: