hiara-dia (Kiady Andria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Narehitrao ny foko
Toa tsisy tsapako intsony
Akotran'ny hafaliana
Kay tsikinao ilay paradisa

Nalaminao daholo
Ireo ratsy nitazona ahy  
Lalana feno fitia
Toa nofy mamy tiko hitohy

Fotoana nangingina
Niova ho hafa kely
Ka itantana anao aho
Tsy ho avelako intsony

  izaho
Vonona hiaradìa
Mety amiko daholo
Ny Momba anao rehetra
Fo saina fanahy
Ka ataoko ahoana
Ny tsy hitia anao

Tangosako ny hatsarany
Karazan'hira mampifaly
Tiko ny miheno anao
Tiko loatra ny anilanao

Fotoana nangingina
Niova ho hafa kely
Ka itantana anao aho
Tsy ho avelako intsony  

izaho
Vonona hiaradìa
Mety amiko daholo
Ny Momba anao rehetra
Fo saina fanahy
Ka ataoko ahoana
Ny tsy hitia anao

Ilay masonao
mibanjina ahy
Maandresy lahatra avy hatrany
F'ianao ilay silam-panahy
Natokana ho ahy
Ety an-tany...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kiady Andria
Vangy : 16
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : KiadyAndria
Daty : 09/03/2026 17:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.042