Tandremo ny Fo (Iray Fo Midera)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tandremo ny fo sao vesaran'ny vokatry ny fisotroana
Fa maro dia maro anie ny voka-dratsin'ny hamamoana
avelao ny ahiahin'izao fiainana izao
homany ny hoavy ny toaka ialao
Fa tampoka ny andro hiavian'i Jesosy hitsara antsika

Ny toaka manimba sy mandrava ny tokatrano
ny vady mahia sy mijaly ny ankizy hidiran'angano
ny tahiry kely no lany avokoa
ny trosa amin'izany efa tsisy voaloa
mampalahelo sy mampahonena ka ialao ny toaka

Manankorotana mitabataba tsy misy hatoriana
tsy tompon'ny tenany intsony amin'izay fa
mamàny am-pandriana mitafy henatra fahafaham-baraka mandry an-tatatra tsy misy mpaka
mandrefy lalana mivembena tsy tompon'ny tena

Miseho azy ho bokona tsisy maharesy miseho azy ho mafy
ka mila vaniny mitrerotrerona migafigafy
kanefa ny tenany kely dia kely vokisan'aretina tena malemy
marary vavony mihoaka mandoa dia makafoka avy eo

Ialao ! fadio ! ny toaka
( zavatra misy tsy mba hohohono , toaka manimba ary  tena mamono,   koa mitandrema f'ianao dia tempoly aza manaiky hosimban'ny devoly,  tena manimba mamotika anao,  hialao lavitra raha azo atao , dieny izao dia mbola tsy tara,  ialao ny toaka,fa tena tsy tsara )
    
.                        
Ny toaka manimba ! ( manimba ny saina )
Ny  toaka manimba ( manimba ny voa )
Ny toaka manimba ( manimba ny fo )
mahafoy ny andro hiainana !
Ialao ny toaka ! Fadio ny toaka ! ialao ny toaka !
fadio ny toaka x 2
Ny toaka manimba ! ( manimba ny saina )
Ny  toaka manimba ( manimba ny voa )
Ny toaka manimba ( manimba ny fo )
mahafoy ny andro hiainana !

Jeso ô  arovy izahay( amin'ireo fankam-panahy)x4
Mba ho soa ny lalanay ( mba hanaraka anao ) x 3
Jeso ô arovy izahay ( tazomy mafy ho anao )

Koa miambena mivavaha (fa isika)
tsy miady amin'ireo nofo aman-dra,
Fa  amin'ireo fanahy( fanahy ratsy )  
eny ambonin'ny rivotra ( ô mivavaha )
Mivavaha mandrakariva aza mitsahatra ( ifikiro o )
Ifikiro hatrany hatrany jeso tompo ilay mpamonjy
Fa izy ireny ihany ( no mahay ) manafaka fatorana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iray Fo Midera
Vangy : 63
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FahazavanaHoavy
Daty : 05/08/2024 15:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729