Mody Mood (F.S.C)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hody ah fa tsy tamana,
Malahelo o! Malahelo an'ireo bandy akama,
Any an-tanàna!
Tsy mety, tsy mety, tsy mety
Tsy mety amiko feeling'nareo, mama
Eeeh! Eh mama! Nde hody ah fa tsy tamana

Aza manahy ianareo
Ho avy 'ty zanakareo
Ho avy 'ty longonareo
Fa mamy ny mody e! Mody e!
Hoy aho eee!
Tsy ampy hafanana a!
Hoy aho eee!
Manalasala a!

REF:
Mody! Ny hijanona tsy vita intsony
Malahelo tsy mahita tory
Te hiala aho fa mila tony
Hody Aho e!
x2

Aleoko mody fa tsy vitako
Feeling'nareo mitsy no namitaka ah!
Tsy aiko hoe maninona kay
Marina anareo io anie fa tsy anay
Lasa saina aho fa tsy hitako zay aleha
Mody zao no mety androany ihany dia androany ihany e
Miaraka amin'dry lerony nge hafa ihany e

Mipolipolisa
Mitonitonisa ah!
Baby Gyal, Mafaika ny aty
Za hiala fa tsy tamana

Ndao mba atero mody ah, atero mody ah
Te hiala ah fa tsy vitako tsony ah, tsy vitako tsony ah
Fa manembona any ah!

REF:
Mody! Ny hijanona tsy vita intsony
Malahelo tsy mahita tory
Te hiala aho fa mila tony
Hody Aho e!
x2

Manimanina tsy mety à l'aise
Tsy tamana an-tanin'olo o
Mamy be ny mody na hatraiza
Ny an-tanàna tsisy ahasolo o

ah ia ia ia!
Eeeh! Miandry anà ny tiako zao any
Ngoma anà tsy tiako izy hitomany
Eeeh! Mila fofopofony ao an-trano aleoko mody mody
Itako ny lalana mankany
Zoriko fa mamy
Sacreko na dia hariva
Fa mamy ny mody e!

REF:
Mody! Ny hijanona tsy vita intsony
Malahelo tsy mahita tory
Te hiala aho fa mila tony
Hody Aho e!
x2

Mody! Ny hijanona tsy vita intsony
Malahelo tsy mahita tory
Te hiala aho fa mila tony
Hody Aho e!
x2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : F.S.C
Vangy : 1099
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lacky
Daty : 04/12/2022 13:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754