Ampidiro aloha ny tenimiafina
nolalaoviny (Felicia)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Felicia : nolalaovinyIny ianao fa falifaly be
Dia nitsinjatsinjaka ery
Tsy naharay lamba akory vao nilaza izy hoe tena tia be
Iny ianao fa nahatoky
Dia nanao izay lohanao tany.
Tsy nahalala nihaino an'ny zoky
Nefa tampoka teo voatsindrona mafy ny fonao
Ny fitiavanao nitempo ho an'azy toy ny ilatsaham-baratra
Naratra mafy ny fonao
Nanjombona kotsan-dranomaso ny fiainanao
Hoy ianao hoe tahakizay
Ref:Nolalaoviny ianao e
Nefa mba nahafoy ny fiainanao ho azy
Ka voafingana mafy dia lasa manirery ianao
Lasa nofinofy sisa nieritreritra hoe paradisa
Maharary iny ianao nosoloiny ianao an an an
Ianao te hanadino niezaka mafy fa mbola tsy mino
Mitamberina an-tsainao ireo sarinareo roa
Izy iny e kapaina tsy hita fery
Navelany ianao niankin-drindrina irery
Naratra mafy ny fonao nanjombona kotsan-dranomaso ny fiainanao
Hoy ianao hoe tahakizay
Réf:Nolalaoviny ianao e
Nefa mba nahafoy ny fiainanao ho azy
Ka voafingana mafy dia lasa manirery ianao
Dia lasa nangidy ilay hamamiana
Tomany lava izao e
Mameno ny alina mangina
Nangaina irery teo ianao f'izy efa an'olokafa
Manina ny lasa tsy ho voafafa
Manamafy ny fo sisa azo atao
Sy izay hampilamina ny sainao
Réf:Nolalaoviny.......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : FeliciaVangy : 47
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lengita001
Daty : 30/11/2025 02:15
