Efa ianao (Felicia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Felicia-Efa ianao

Nandeha ny fotoana.
Fa mbola indreto isika.
Mbola mifampizara.
Ny alaelo tsikitsiky
Ny voady koa tsy foana.
Fa voafatotra tsy hivaha.
Nomeko anao maimaimpoana.
Izay rehetraretra momba anahy.
Izaho tsy hitady tambiny.
Fa fitia mitady valiny
Izaho nitia anao
Ianao koa toa Ahy.
Atreto aloha mbola mifamaly.
Izay nomeko anao
Tsy nasiako ambiny.
Fa nifampitoky fa tsy hifanary
Na inon-kidoana, na ino kabary

Sanatria raha ifandao
Tsy lalao hoy ianao
Izay rehetra niaraha-nanao

{Refrain}
Fa efa ianao ary mbola ianao foana
No tiako iarahako anapitra ny fotoana
Tsy aiko ny atao raha vao tsy anilanao Aho.
Efa zatra maita anao anie izaho
Ka aza manahy f'izaho tsy hiova eh!
Na mbola ady mafy izaho tsy hiova eh!
Izay tianao rehetra izaho tsy anova eh!
Izareo tsy nety natao hiaraha-manova eh!!

Na dia nisy nisampana aza.
Toa tsy maty tsy lefy laza.
Ao am-poko ao ny fitiavako anao.
Toa voamaika nanamafy azy.
Tsy nijery ny tsy fanananao Aho.
Ianao koa tsy nijery ny Ahy.
Aminao ilay foko tsy ho irery.
Ankona tsy nahateny tamin'ireny.

Sanatria raha ifandao.
Tsy lalao hoy ianao.
Izay rehetra niaraha-nanao.

{Refrain}
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Felicia
Visites : 385
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : lengita001
Date : 30/11/2025 01:57
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0363