VAO HITAKO (Faniry (Tempo Gaigy) ft. Sarobidy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao hitako avy alavitra any ianao
D'efa fantatro avy hatrany
f'ianao ilay nofiko hatr'izay

Vao hitako sy tazako ny endrikao
D'efa babonao te ho any
Ny foko toa manosik'ahy.

Tsy hay adinoina ny andro anio
Voasoratra ao am-po sahady izy io
Mitovy ilay fijerintsika roa

Toa niaraka nidoboka ny fo
Fa hitako ilay hasambarako
Mamy izay tontolo iainako

Vao hitako avy alavitra any ianao
D'efa fantatro avy hatrany
f'ianao ilay nofiko hatr'izay

Vao hitako sy tazako ny endrikao
D'efa babonao te ho any
Ny foko toa manosik'ahy.

Tantara hitoetra fa tsy handalo
Ventsoiko hirahira anaty kalo
Ny hirahirako mandrakizay

Raha sendra andro ka manjombona
Tsy hisy ny hanozongozona
Fa tsara fatotra mandrakizay

Efa lasa ny andro nanjombona taloha
Hazavana vaovao
No indro tazako ao

Tena tampoka kanefa vokatry ny fo
Lay hasambarana
Tsy voafaritra ah ah

Vao hitako avy alavitra any ianao
D'efa fantatro avy hatrany
f'ianao ilay nofiko hatr'izay

Vao hitako sy tazako ny endrikao
D'efa babonao te ho any
Ny foko toa manosik'ahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Faniry (Tempo Gaigy) ft. Sarobidy
Vangy : 408
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : litarazavar
Daty : 24/04/2023 16:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1092