Roi de cœur (Elinot Miller ft Rolland)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Verse 1:
Ianao tsy vahiny
fa tompon-tanàna
Rehefa mangatsiaka
omeko hafanana

Miaraka aminao
ihany no mahatamana
Rehefa misy fety
Automati'ka salama

Tsy misy diso izay
rehetra n'kôzina
Raha sendra malahelo 🥺
hiaraka hafaliana 🥰

Tsy asiako sira
izay m'tabataba
Fa ny tsikinao
dia volana mpanajava

Hotrany tsy hofaty
ny eo anilanao
Ianao tia anah
zaho koa tia anao

Love feno fanajana
ho lavitry ny disadisa
Sanatria ho mandramaty
fa hatrany am-Paradisa

haiko zah fa very
ato anaty haizim-pitonao
Tsy mila bousol
f'efa misy anao

Ny anaranao
efa nataoko tattoo
Tsy mety voafafa
fa miraikitra ato am-po❤️



Refrain:
Malala enao no mahay
ny ato ampoko
Fa tsy misy akoatranao
eo amin'ny fiainako
Isika hiara-hiady fa efa hainao
fa zah ko tsy hiala
Fa hiezaka ny ho eo foana
na amin'ny mora na amin'ny mafy



Verse 2:
Na tsy ataoko anaty pub
f'efa fantatrao
Tsy mahay m'tia intsony
f'efa jambanao

Amiko wa ianao
loharanom-pahajavana
Hotrany masoandro
mizara hafanana

Itsika roa iray
ianao anaty venne
Zah ny "ROI DE CŒUR"
de ianao zany no Reine

Eny an-dalana tantanako
ny tananao
Namiratra ny tontoloko
nohon'ny fisinao

Itsika miara-miasa
fetapera sy ny charbon
When you have problem
de zah no solution

Mety hoe ratsy
fa ianao Ihany no tiako
Mety tsy tonga lafatra
fa ampy hifaliko

Tsy tiako hisy hangalatra
sady tsy tiako ho very
Tsy tiako fitambarana
fa tiako ho anah irery

tsy misy afaka ny hamaha
ny foko kely tia anao
Fa ny lakileny foko
efa natelinao



Refrain:
Malala enao no mahay
ny ato ampoko
Fa tsy misy akoatranao
eo amin'ny fiainako
Isika hiara-hiady fa efa hainao
fa zah ko tsy hiala
Fa hiezaka ny ho eo foana
na amin'ny mora na amin'ny mafy



Verse 3:
Miakatra level
fa ny vatana matanjaka
Ho entinao mihidina
rehefa misy antsana

fa ianao ilay anjely
Izay natokana hiambina ahy
De ianao no mibaiko
ny fo sy ny fanahy

De raha izaho no visiteur
de ianao zany no Guide'ko
Aza manahy
fa ny hankatia anao no ditrako

De ra izao no voninkazo
de rano ny fisinao
Hinoako fa malazo
raha toa ka tsisy anao

Izay m'kif antsika
de omeko big up👏
Fa izay mialona rehetra
omeko an'azy ny fuck🖕

Izay nanary anao manenina
fa very JOKER
Ampafataro an'azy
fa zah no "ROI DE CŒUR"

Maro ireo vehivavy
Milaza azy hoe "tsara"
Fa ianao no finidiko
de tsy tiako raha hiala

Raha movie ny life'ko 🍿
de ianao mpandray anjara
"Tsy izay tsara 👍 no tiako❤️
fa izay tiako ❤️ no tsara👍"


Refrain:
Malala enao no mahay
ny ato ampoko
Fa tsy misy akoatranao
eo amin'ny fiainako
Isika hiara-hiady fa efa hainao
fa zah ko tsy hiala
Fa hiezaka ny ho eo foana
na amin'ny mora na amin'ny mafy

Refrain:
Malala enao no mahay
ny ato ampoko
Fa tsy misy akoatranao
eo amin'ny fiainako
Isika hiara-hiady fa efa hainao
fa zah ko tsy hiala
Fa hiezaka ny ho eo foana
na amin'ny mora na amin'ny mafy

Malala enao no mahay
ny ato ampoko
Fa tsy misy akoatranao
eo amin'ny fiainako
Isika hiara-hiady fa efa hainao
fa zah ko tsy hiala
Fa hiezaka ny ho eo foana
na amin'ny mora na amin'ny mafy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Elinot Miller ft Rolland
Vangy : 102
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ElinotMiller
Daty : 10/07/2025 12:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0187