Anjarako (Elidiot)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
By Rom-ka Obama Fortunez


Fo nifagneky, HIFANKATIA aaa
Tsisy nanery fa vognono hiaradia aaa.
Tsy kisendrasendra!!
Fa nitraotro ny vintagna.
Zegny fitiavagna.

Efa hela nitady fa ravo zah nahita anao ooh
Hafaliagna mameno fagnahy
Zah managn'anao ouuuu...
Miavaka 'amin'ny maro anao
Tsy anagnako faharoe
F'efa anao, Anao ninakahy...

Anjarako anao oooh
Safidin'ny foko anao ouuu
Fa na ino mitranga, na ino miseho
Amin'ny fiainantsika roa
Safidin'ny foko anao.


Aminao amitrahako ny ho avy
Hasambarako oh!!
Hanankinako fiaignako jiaby
Reharehako oh!
Fagnomezagna an-jagnahary
Zah vognono ankatia anao.
Manomboko iniany zah magneky ho vadinao.
Aza misy ny ratsy, hisarantsika roe ee
Fa zah fa ninao!!
Jusqu'à mandramaty eh!!

Anjarako anao oooh
Safidin'ny foko anao ouuu
Fa na ino mitranga, na ino miseho
Amin'ny fiainantsika roa
Safidin'ny foko anao.


Ampiadagna anao ou
Fagniriagnanahy.
Ampelatagnanao..
Ny momba zah jiaby
Angatahako amin-dRagnahary.
Mba hifagnantitra antsika roe
Zah sy anao ooh
Jusqu'à matoe.

[Chorus]
Anjarako anao oooh
Safidin'ny foko anao ouuu
Fa na ino mitranga, na ino miseho
Amin'ny fiainantsika roa
Safidin'ny foko anao.
Anjarako anao oooh
Safidin'ny foko anao ouuu

Fa na ino mitranga, na ino miseho
Amin'ny fiainantsika roa
Safidin'ny foko anao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0399