Ino problemanao (DAMY Mickaël)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy adin-tsaina ve?Eo amin'ny fiainanao
Sy enta-mavesatra
Ka mila tsy ho zakanao
Izay rehetra jerenao
Toa mandiso fanantenana
Ka tsy hitanao zay hombàna
Sy hitadiavam-pamonjena
Ny tompo anie
Efa ela no nitady anao
Sy niandry anao
Ka raiso izy anio
Tsy zakan'Andriamanitra
Ny mijery ny fahorinao
Sy ny fijalinao
Fa izy dia fitiavana.
Ref:
Fa ino prôblemanao
Ndeso amin'azy e
Sy ny raha manahirana ô hô!!!
Fa Jesosy raika arô
Mahay manafaka
ny ôlagna eo aminao (x2)
(Hoanao izay mandre izany hira izany, tsarovy fa tena tia anao Jesosy. Ny olona mety tsy tia anao, ny olona mety mankahala anao fa Jesosy tena tia anao. Inona ary ny prôblemanao mandre izany hira izany. Raiso Jesosy anio ho tompo sy mpamonjy ny fiainanao, ary miala amin'ny ratsy rehetra fa tsy maintsy amaha ny olàna eo amin'ny fiainanao izy sady anasitrana anao raha marary ianao.)
.................
Tena sambatra
Izay manana an'i Jesô
Tsy miady irery
Eo amin'ny fiainana
Ho reraka foana izay tsy tia
Fa izay an'lay Kristy
Tsy mba mety ho potraka a
Fa ny tompo no momba azy
Tompo ô,
Mba vonjeo re
Ny ankohonako
Sy ny tanin-drazako
Fa Andriamanitra
Mahery ianao
Tsy misy ny tahaka anao
Ka deraina ny anaranao.
Ref:
Fa ino prôblemanao
Ndeso amin'azy e
Sy ny raha manahirana ô hô!!!
Fa Jesosy raika arô
Mahay manafaka
ny ôlagna eo aminao (x2)
Mahay manafaka
ny ôlagna eo aminao (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : DAMY MickaëlVangy : 3433
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 20/03/2018 20:44