O.F.A (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indreto izahay e
Tanoranao ray ô
Mivondrona hoiray e
Mikambana hoiray e
Favonon-kihira
Hira fiderana
Hoanao izahay mandrakizay

Mba tantanonao ry Ray ô
Ity fikambananay ity
Orimbaton’ny fanantenana
Hahafahanay hidera anao
Amin-kira mandrakizay

Indreto izahay e
Tanoranao ray ô
Mivondrona hoiray e
Mikambana hoiray e
Favonon-kihira
Hira fiderana
Hoanao izahay mandrakizay

Mba ampianaro izahay Jesoa ô
Mba hahaizanay hifamela
Holavitra anay ny fankahalana
Fa hanjaka aminay hatrany
Firaisan-kina, fifankatiavana

Mba tantanonao ry Ray ô
Ity fikambananay ity
Orimbaton’ny fanantenana
Hahafahanay hidera anao
Amin-kira mandrakizay

A/C : EPALA Lovasoa Huberto Fortunat
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa
Vangy : 484
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hubertoepala
Daty : 27/11/2019 23:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747