Andao hiaradia (ASAFA (FJKM Ambohipiarenana Kristy Fehizoro Ambositra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iray ny fanompoana atao
Iray ny tanjona
Ko tsy aleo ve miaradia
Ko tsy aleo ve, tsy aleo mifankatia
Fa didy lehibe ny hoe:
Mifankatiava hianareo
Aoka hitambatra, ka tsy hisaraka
Iray koa ny Tompo, ary isik'izao
Asainy mifanompo oooooh
Tena hifanompo

Andao hiaradia, hifaneho fitia ka
De tsy hifandao, mandrapiavin'i Kristy
Fa ho tonga tampoka
Amin'izay tsy ampoizinao ka
Mila miambina, mba tsy hanenenanao x2 (@voalohany)
Andao hiaradia, hifaneho fitia ka
Hifampivavaka, mba samy ho sitrana
Hifampitantana, hifampivavaka ka
De tsy hifandao, misaraka tsy atao
(Coeur)
Hifampitantana, hifampivavaka ka
De tsy hifandao, misaraka tsy atao x2
(Duo)
Hifampitantana, hifampivavaka ka
De tsy hifandao, misaraka tsy atao

AC: José Patrick
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ASAFA (FJKM Ambohipiarenana Kristy Fehizoro Ambositra)
Vangy : 62
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Andriamahandrimanana
Daty : 08/09/2024 10:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769