Satroboninahitra (Antsan'ny vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)
_Ekeko fa tena tsy mora izany
_Dia ny anamavo izay rehetra eto an-tany
_Hanara-dia an'i Tompo Jesoa
_Ka mba hafoy ireo lasa taloha

Refrain:
_Koa mitsangana izao dieny izao
_Ka izao anie mba lazao
_(Izao) Izao no andro anaovana azy
_(Izao) Izao no andro hiadiana amin'ny ratsy
_Izao no andro,hiovako tsara
_Andro mety hiovako tsara
_(Ka vonona hiady raha te-haresy)
_Fa ny satroboninahitry ny faharetana
_(fa ny satroboninahitry ny faharetana)
_Tsy azo,tsy azo afa-tsy amin'ny ady
_(tsy azo raha tsy amin'ny ady)
_Ny satroboninahitry ny faharetana
_Tsy azo raha tsy amin'ny ady

2)
_Nahoana moa no tsy mbola androany
_No anatanterahina ny fikasanao
_Tandremo anie fa tsy mba fantatrao
_Ny ora andaozanao izao tontolo izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny vontovorona
Vangy : 1432
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : duardo
Daty : 12/12/2016 19:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6654