Omeko anao (Alain & Malala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Omeko anao tsisy fetra ny fitiavako rehetra
Satria ianao no nahay nanintona ny fo
Raiso re raha sitrakao fa tsy hanenenanao
omeko anao ny fiainako tontolo

2.Omeko anao avokoa izay mety ho fanirian’ny fo
Ny masonao, ny tsikinao, nambabo ahy tokoa
omeko anao amin’ny  fitiavana izay rehetra irinao
Raiso fa ho anao irery izany

Fiv :Izay sitrakao, dia manjary tiako koa
Satria ianao no andry iankinan’ny foko
Izay maminao, manjary mamiko ihany koa
Omeko anao (omeko anao), omeko anao ny fiainako

3.lahy sy vavy :
Omeko anao ny tanako hitantana ny dianao
Hioty voninkazo sy hanafosafo indray
Ka Omeko ny heriko zay vitako rehetra
Raiso fa anao tsy misy fetra


                                                 Alain & Malala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Alain & Malala
Vangy : 23331
Mpankafy : 7 Ankafizo
Nampiditra : anjac
Daty : 07/06/2009 10:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.437