apetraho (AFA (Antsan'ny Fahasoavana Ambohimanambola))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
APETRAHO Ref: Oh! Apetraho ao amin'i Jesosy ny fiainanao
Manombok'izao , ianao tsy ho irery fa Izy homba anao
1- Fitantany tsy mitanila; izay manara-dia Azy tsy ho very
Tompon'ny tompo , tompon'ny aina sy izao rehetra izao
Mpanafak'ota , mpamela heloka fa tsy mandao
Hirahira sesehena , Haravoam-pamonjena
Izao aza adino fa ianao iny anie zanaka tiany
Mandrakizay, tsy ny omaly ihany na ny ankehitriny
Ref: ( x2 )
FEON - KIRA
2- Misaora ny anarany mandrakariva, aza mitsahatra
Jeso no mpitari-dia, mpamindra fo, mpanadio masina
Mahereza ianao ry mino
Fa Jeso tsy manadino
Mpanome hery, mpanome aina ho ahy sy ho anao
Ka andao hidera fa aza malaina raha toa sitrakao
Ref: ( x2 )
FEON - KIRA
VAVY : Asandrato mafy hoe ALELOIA ho an'ny Mpamonjy
Ho rava ny haizim-be, ny alahelo any dia tsy hisy intsony
LAHY : Toerana vaovao no nomaniny ho anao
Saha edena ny fifaliana fa tsy ny fijaliana
VAVY : Ka midera Azy
DUO : Fa tsy ho neninao na oviana na oviana
Ref : ( x2 )
A/C : NSK
" Ampy ho anao ny fahasoavako"
II Kor 12:9a
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AFA (Antsan'ny Fahasoavana Ambohimanambola)Visites : 289
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Rijaheriniaina
Date : 08/10/2025 12:50
