You are here: home > Tononkira > Volcan

Mibebaha (Volcan)

https://tononkira.serasera.org/hira/volcan/mibebaha

Mivadibadika ambony sy ambany
ny fianan’ny olombelona eto an-tany
mifamono, mifanenjika hatrany
tsy mahalàla ’zay hiafaràny

Misy aza miseho ho mpivavaka
kanefa mpia-tsara velatsihy
ambodia mitafy hodi-janak’ondry
mandripaka ireo namany

ref: mibebàha, mifonà, ianareo
     mibebàha, mifonà,Tsiky dia ampy ianareo
     mibebàha, mifonà, ianareo
     mibebàha, mifonà, ianareo

Fa ny masoandro aza hody haizina
ny volana kosa hody rà
ireo kintana ireo de hiraraka
hiparitaka, hanjavona daholo

Rehefa tonga ny fotoana hitsaràna
ny zanak’olombelona rehetra
ny tsara dia ahazo fiadanana
ny ratsy kosa ho very mandrakizay

ref:

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Volcan
Mpamaky : 2287
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : jazz666
Tamin'ny : 26/04/2005 00:42:27
ID : 3085