Afaka aho (Vincent Andrin'ny Aina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anatin'ny lalina
no nanafahanao ahy
Nakipinao ny masoko
Tsy hijery ireny intsony
Ny ditrako sy ny hadalako
Fitiavan-dratsy sy fitiavan_tena
Dia nohodianao tsy hita akory
Fa nofafafanao tsy hisy intsony;

Ireo fahavaloko
Hotiaviko ihany koa
Ireo namana tena hàlako
Ireo no hanatonako
Homeko ny fitiavan'ny Kristy
Ireo mahantra koa, traboina tsy mitafy
Mila vonjy sy mihafy
Ampio izy mba tsy ho irery

Afaka aho tamin'ny gadrako
Ny aretiko nositraniny
Ny otako izay namatotra ahy
Noesoriny tsy ho amiko

Afaka aho...

Ka andro sisa hianako
Hoentiko hanompona Anao
Hizarako ny fitiavanao
Ho an'ny vahoakanao

Faly ery izany fo
Fa momba anao ilay Tsitoha
Antsoy Jesoa ho Tomponao
F'Izy efa miandry anao
Ka atolory azy ny fonao
Matokia azy fa marina Jesoa
Tsy handao anao mihitsy Izy
Fa Masina ny Teniny:

Afaka aho...
Afaka aho...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vincent Andrin'ny Aina
Vangy : 702
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : pillarandri
Daty : 08/08/2019 11:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725