Hafa ity hariva ity (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa eto ihany izaho sy ianao
Ka tsaratsara angamba hoy aho
Fa ireo longilonginao
Avalony any raha ny androany fa

Hafa ity hariva ity
Mitsikia, manatòna ary avia
Raha ny alaohelondry
Fombafomban’ireo miara-dia
Hafa ity hariva ity
Tiana o,
Hafa ity hariva ity
mitsikia manatona ary avia
Hafa ity hariva ity
Izay inoako fa efa natao ho ahy sy ho anao

Efa eto ihany isika androany
Izay masoandro mody aza asiana tomany
fa ny olondroa dia mahasolo
ampy hanafana ny hariva tontolo ka

Amin’ity hariva ity
Mitsikia, manatòna ary avia
Raha ny alaohelondry
Fombafomban’ireo miara-dia
Amin’ity hariva ity
Tiana o,
Hafa ity hariva ity
mitsikia manatona ary avia
Hafa ity hariva ity
Izay inoako fa efa natao ho ahy sy ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 1593
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/08/2017 17:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119