O Rakoto ! (Trio's music)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Katrikatry foana ianao Rakoto
Mirediredy tsy mahalala voky
Dia tsy mahazaka toaka, katry midegoba
Avy eo dia mandry an-tatatra

Ny vady aman-janakao Rakoto
Tsisy atokona fa mandry fotsy
Ny volanao anie dia lany tamin’ny revy
Dia ny ankizy no saozanina

O Rakoto, ô Rakoto
Jereo ny hoavin-janakao
O Rakoto, ô Rakoto
Hajao ny tokantrano

Katrikatry foana ianao Rakoto
Mirevy nefa tsy mahazaka toaka
Rehefa dozy avy eo, miseho ho kala be
Dia mampirevy ireo akama anie

Ny vady aman-janakao Rakoto
Tsisy atokona fa mandry fotsy
Ny volanao anie dia lany tamin’ny revy
Dia ny ankizy no saozanina

O Rakoto, ô Rakoto
Ny toaka anie ka poizina
O Rakoto, ô Rakoto
Ny ho avy mba banjinina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Trio's music
Vangy : 1347
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 24/08/2015 19:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112